airtel

Fandriampahalemana

20-sept-2022

Fandriampahalemana

Arivonimamo Mpivaro-kena no nanirak’olona hangalatra omby

Sample post image

Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka ny halatr’omby any amin’ny Faritra Itasy. Voakasik’izany ny ao amin’ny distrikan’Arivonimamo izay misy omby very hatrany isan’andro.

20-sept-2022

Ny nahagaga sy nahavariana ny maro anefa dia mpivaro-kena izay noheverina mba hiady amin’izany no tratra niray tsikombakomba tamin’ny dahalo. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia nisy omby very tao Antanibe Arivonimamo I ny 14 Septambra teo. Rehefa narahana ny dian'io omby iray very io dia hita fa niditra tao amin'ny tranon'ilay mpivaro- kena iray tao Arivonimamo. Napetraka ny vela-pandrika ary natao ny fanadihadiana ka tratra ilay mpivarotra. Niaiky ny helony vitany ity mpivarotra ity fa naniraka olona hangalatra omby ary nanondro ilay vehivavy mpivarotra ny taovan-kena. Nosamborina ihany koa ity vehivavy ity taorin'izany. Efa mpamerin-keloka moa izy ireo satria efa nigadra roa volana tany am-ponja saingy navoakan'ny fitsarana foana. Tsara ny manamarika fa efa mpiray tsikombakomba amin'ny dahalo ity mpivarotra. Izy mihintsy mantsy no maniraka olona hangalatra omby any amin’iny faritra Arivonimamo iny.
Legende : Mbola tratra tahaka izao ilay omby novonoina
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap