airtel

Fandriampahalemana

18-nov-2021

Fandriampahalemana

Arivonimamo Natory tany am-pasana ilay jiolahy \

Sample post image

Tratran'ny polisy miasa ao amin'ny distrikan’Arivonimamo ny jiolahy rain-dahiny iray mpamaky trano sy mpanao fanafihana miaraka amin'ny antsy.

18-nov-2021

 Ny alatsinainy maraina teo raha tsiahivina dia nahazo antso ny polisy ao Arivonimamo fa misy tovolahy miaraka amin'ny antsy be, mandrahona sy mamono olona teny morafeno Atsimo, kaominina ambanivohitra Imamo, dia namonjy avy hatrany teny an-toerana ny polisy. Rehefa natao ny fisamborana azy, dia nanohitra sy nandaka ireo mpitandro filaminanana ity lehilahy ity . Marihina fa mbola mammon-drongony ity farany, ary nandratra olona tamin'ny antsy ihany koa. Rehefa notazomina tao amin'ny violon izy ka niangavy ny ho any an-kabone ny maraina ny talata maraina tamin'ny 05ora sy sasany dia tafatsoaka ka nifanenjehana fa tsy tratra ary nahasaoty trano mirefy 5 metatra ny haavony. Nahazo fampandrenesana ny polisy fa matory any am-pasana misy ny rainy izy ka niandry tany an-toerana ny polisy sy ny andrimasom-pokonolona ny alin'ny talata teo. Ny marainan'ny alarobia izany hoe omaly dia voasambotry ny polisy tao Imerintsiatosika ny lehilahy. Marihina fa milalao ody mahery ity farany ary efa nigadra noho ny halatra sy vaky trano in-telo tao amin'ny fonjan' Arivonimamo. Hatolotra ny fampanoavana anio ny tovolahy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap