airtel

Fandriampahalemana

06-août-2021

Fandriampahalemana

Asan-dahalo sy fanadiovana omby halatra Olona 6 nidoboka am-ponja vonjimaika

Sample post image

Olona telo nahiditra am-ponja noho ny fanadiovana omby halatra tany Mandoto. Miady mafy amin'ny asan-dahalo ny zandary ao Mandoto ary mikaroka hatrany ambony latabatra,

06-août-2021

 araka ny fampitam-baovaon’ny Vondron-toby ao Vakinankaratra. Olona enina no natolotra fampanoavana ny 04 Aogositra 2021 izay nahitana lehiben'ny boriborintany roa (CAA) na “délégué”, hoy ny fiteny mahazatra, mpitantsoratry ny “délégué” iray ary mpividy omby halatra sy namany iray niray petsapetsa aminy. Omby very ny 16 Aprily 2021 tao Vinany Mandoto no hita ny 29 Jolay 2021 tao am-balan'i R.S.B monina ao Moraranokely Ankazomiriotra. Nidina nanao fanadihadiana ny zandary ary hita tamin'izany ny firaisan'ireo mpiasan'ny délégué tendro amin'ny olontsotra mba hanomezana taratasy ireo omby.
Notanana am-ponja miandry fitsarana ny nahitana ny omby, ny mpitantsoratry ny délégué Ankazomiriotra, ary ilay nivarotra ny omby halatra. Raha noafahana (LP) kosa ireo lehiben'ny boriborin-tany. Ny fanadihadian'ny fitsarana kosa no hamaritra ny heloka hobaben'ny tsirairay amin'izao raharaha izao. Ankoatry ny ady eny an-kianja izay ilofosan'ny zandary dia tsy andeferana kosa ireo miray petsapetsa mivarotra sy manadio ary mitahiry omby halatra. Raha misy ny omby very dia mikaroka hatrany ny zandary sy ny tompony na dia fotoana ela aza no nahavery azy ary rehefa voamarina ny porofo atolotry ny tompony dia averina amin’ny omby, hoy ny zandarimariam-pirenena.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap