airtel

Fandriampahalemana

01-août-2022

Fandriampahalemana

Asan-dahalo, vono olona,…. Tsy voaaro intsony ny vahoaka sy ny fananany

Sample post image

32 no indray namoy ny ainy izay nahitana ankizy sy zaza manevava, ary 4 maratra ka ny 3 manaraka fitsaboana any an-toerana, ary 1 nakarina aty an-dRenivohitra.

01-août-2022

Io no antontan'isa nivoaka ny sabotsy teo mikasika ilay voina nitranga tao Ambohitriniandriana Fokontany Anosikely, Kaominina Ambolotarakely, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia lonilony amina resaka ady tany no niatombohan’ny disadisa. Fantatra fa nitondra fitaovam-piadiana AKM miisa 3, Mas 36 iray sy “Fusille de chasse” 8 ireo nahavanon-doza. Niafina tao ambony rihana, trano iray, ireo fianakaviana 7 trano izay nahitana vatan-dehilahy sy zaza amam-behivavy. Niezaka hamaly tamina tora-bato ireo mpanafika ka tao no nandoran'ireto dahalo avy ao ambany ilay trano mba hampivoaka an'ireo fianakaviana miisa 7. Tsy nisy omby na fananana lasa fa tena karazana valalifaty.


MANDEHA NY FANADIHADIANA SY FANENJEHANA…
Nidina tany an-toerana ireo andian-tafika izay notarihin’ny Minisitry ny fiarovana, iraka ny Filoha, hijery ny zava-misy. Nambara fa efa am-periny avy hatrany ny mpitandro filaminana, izay ny Kaomandin’ny zandarimaria Jeneraly Andry Rakotondrazaka sy ny Lehiben’ny tafika no nitarika izany. Mandeha ny fanadihadiana, nandeha ny fitsirihana sy fikarohana ireo toerana ahiana hiheren’ireo dahalo. “Loza tsy roa aman-tany, tsy maintsy karohina amin’ny fomba rehetra ireo mpanao ratsy. Teto amin’ny manodidina ihany no nanao azy, ka tsy maintsy atomboka eto ny fanadihadiana. Hiitatra amin’ireo mpandray anjara mivantana na ankoka. Miasa izahay, ary tsy maintsy hahita vokatra. Hampiharina ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Ahetsika ny fiaramanidina, ny tafika an-tanety”, hoy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Richard Rakotonirina.
LASA NY ALIKA VAO MANANGOM-BATO…
. "… Tsy maintsy karohina ireo nahavanon-doza ary hofaizina araky ny lalàna velona. Mandray ny andraikiny ny Tafika Malagasy namonjy ireo mponina any an-toerana ary mikaroka ireo tsy mataho-tody. Mankahery antsika rehetra!" ”, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay naneho fiaraha-miory. Kiana mirarakopana no setriny toy ny hoe: Ny tafika tsy namonjy ny vahoka izany fa ahitsio tsara ilay resaka, efa maty ny fokonolona vao tonga ny tafika hikaroka ny dahalo fa tsy nisy famonjena izany tany, raha tonga namonjy ny tafika tsisy faty olona mikararana ohatran’izao, aiza ilay hoe 30 minitra iantsoana azy dia efa tonga ny mpitandro filaminana, tonga ny andimby, rehefa hanohitra ny mpanohitra haingam-piasa fa raha hiaro ny vahoaka tsy hita ho antenaina,…

OLONA 3 NOSAMBORINA
Voasambotry ny zandary avy amin'ny Kaompania Imerina Central mamita iraka any Ambatomanoina omaly ny olona 3 ahiana mafy ho nandray anjara sy mpiray tsikombakomba tamin'ity raharaha nahafaty olona 32 ity. Fianakaviana akaiky an'ilay "Iarisy"nambaran'ireo olona tsy maty fa naratra ho mpitarika ireo dahalo sy mipetraka any Ambatomanohina ireto voasambotra ireto. Mbola manohy ny fanadihadiana any an-toerana ny zandary avy amin'ny kaompania Imerina Central tarihin'ny komandiny.

AIZA HO AIZA NY TOHINY ANKEHITRINY?
Ankoatra ity, ny volana septambra 2018 moa no nisian’iny doro tranona fianakaviana miisa 110 iny raha tsiahivina. Ekena fa manao izay ho afany ireo mpitandro filaminana mamita iraka amin’ireny toerana mafampana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, indrindra, ny asan-dahalo ireny, saingy raha ny fampiderana ireo fitaovam-piadiana vaovao sy harifomba azon’ny tafika malagasy isan-taona tokoa ve, tokony mbola toy izao iainana ankehitriny izao ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara? Atao inona ifehezana olona mivory an-kalamanjana na mbola atao hoe manao fihetsiketsehana noho ny hevitra tsy mitovy amin’ny fitondrana tokoa moa fiara mifono vy na fiara tsy laitram-basy, eny, na basy fotsiny aza nefa ireo mpitandro filaminana alefa any an-kodahoda any sady tsy vitan’ny hoe vitsy an’isa fa mbola kapa kiranilina ihany koa no hanaovany? Miteraka ady hevitra hatrany ity antsoina hoe fiarovam-pirenena ity ary misy amin’ireo olompirenena moa manome famaritana mihitsy fa ny atao hoe fiarovam-pirenena dia fahatongavana mialoha any amin’ireo toerana tsy mandry fahalemana mba hiaro ny vahoaka fa tsy hoe misy olona miisa 32 maty any izay ianao vao midina any. Mbola mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe tena natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ve ny mpitandro filaminana malagasy? Hatraiza no fetran’izany?
Toky R sy J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap