airtel

Fandriampahalemana

25-oct-2021

Fandriampahalemana

Asan-jiolahy Avy nigadra dia nanendaka sahady

Sample post image

Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ny Polisim-pirenena amin'ny fiadiana ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra indrindra amin'ireny faritra mena hanjakan'ny herisetra ireny .

25-oct-2021

 Ny 23 oktobra lasa teo dia polisy panao fanamiana sivily mijery ireo mpanendaka sy mpangaro-paosy teny amin'ny faritra Isotry ireny no nahatsikaritra roalahy manao fihetsika hafahafa sy manara-maso ny olona mpiantsena eny an-toerana. Rehefa narahan'ireto polisy maso izy roalahy ireto dia nitsofoka tao an-tsena ary mody mitakosina miaraka amin'ireo mpiantsena hividy.Hitan'ireto polisy ny fomba fihetsik'ireto olon-dratsy ka tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roalahy nanararaotra ireo mpiantsena. Nosamborina avy hatrany ireto farany. Tsy vaovao amin'ny Polisy ny endriky ny iray tamin'izy ireo satria dia efa voasambotra noho ny fanendahana ihany koa tamin’ny 09 oktobra saingy nahazo fahafahana vonjimaika ary izao tra-tehaka nanao asa ratsy izao indray.

Pati
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap