airtel

Fandriampahalemana

16-mai-2022

Fandriampahalemana

Bajaj very tao Mahajanga Nentinin’ilay mpamily nitsoaka tany Ambondromamy

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Mahajanga. Mitohy hatrany ny halatra bajaja izay nambaran’ireo tompony fa ireo mpamily azy ihany matetika no manao mpamosavy malemy.

16-mai-2022

Raha tsiahivina mantsy dia mpamilina bajaba iray izay nitondra azy ihany no nitondra ilay fiarakely nandositra ivelany tanàn’i Mahajanga ka nanova ny mombamomba ilay Bajaj. Ny zoma 13 mey teo ary dia nanao filazana fanairana sy antso avo tamin’ny rehetra ny tompona Bajaja iray fa very tao Mahajanga ny fananany ka antsoina izay mahita izany mba hampandre azy sy ny fianakaviany.Omaly Alahady maraina 15 mey no fantatra fa saron’ny polisy tao Ambondromamy ilay Bajaja very ka ny mpamiliny ihany no nangalatra sy nitondra izany nandositra . Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay bajaj
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap