airtel

Fandriampahalemana

31-janv-2022

Fandriampahalemana

Behoririka Novonoin'ireo mpiasa ilay Sinoa

Sample post image

Mpiasa 3 mianadahy amin’ny toeram-pivarotana ana tera-tany Sinoa iray etsy Behoririka no nahavita namono nahafaty ny mpampiasa azy ny sabotsy 22 Janoary lasa teo.

31-janv-2022

 Nofitahin’izy ireo nasainy nankao amin'ny trano fitoeran'entana ilay sinoa, ka tao no novonoin'izy ireo sy nanamparany ny heriny. Nataony tao anaty gony lehibe ny fatiny taorian’izany ary nampitondrainy sarety ny razana ka nariana teny Ampitatafika Atsimondrano. Nanararaotra ny oram-be tamin’iny herinandro efa nivalona izy ireo raha araka ny vaovao azo hatrany. Lasan'izy ireo avokoa ny vola rehetra tao amin'ilay sinoa mpampiasa azy nandritra izany. Taorian'izay dia niroso tamin'ny fanadihadiana sy fikarohana ny mpitandro filaminana, ka tamin'izay no nahafantarana fa ireo mpiasan'ilay sinoa 3 ihany no namono nahafaty azy. Nasain'ny Polisy nanoro ny toerana nanarian'izy ireo ny fatin'ilay sinoa moa izy 3 mianadahy ka ny Alakamisy 27 janoary teo no hita teny amin'ny toerana notondrony ilay razana izay mbola nifatotra scotch no sady tao anaty gony. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ilay mpiasa sy ilay razana nataony tao anaty gony
 

Dans la même rubrique