airtel

Fandriampahalemana

12-mars-2021

Fandriampahalemana

Belo-sur-mer Zandary iray lavon’ny balan’ny dahalo

Sample post image

Zandary iray kilasy ambony faharoa (GP2C), niasa tao amin’ny kaompania

12-mars-2021

 

 

 Morondava no fantatra fa lavon’ny balan’ny dahalo, teo anelanelan’Antsira sy Ambararata, kaominina Belo-Sur-Mer, distrikan’i Morondava omaly maraina. Raha araka ny fantatra dia 10 lahy izy ireo no niaraka tamin’ny ben’ny tanàna handeha hanatanteraka fisamborana jiolahy hoy ny vaovao kinanjo tifitra variraraka no nitsena azy teny an-dalana. Niverin-dalana namonjy ny ainy moa ireo namany taorian’izany no sady namaly tifitra ihany. Na izany aza anefa dia tsy tratra ihany ny ain’ity zandary ity raha vantany vao tonga tao amin’ny CSBII Ambararata izy ireo. Nahatratra 2 araka izany hatramin’izao ireo zandary lavo tany an-toerana tato anatin’ny iray volana. Raha araka ny fantatra moa dia voan’ny bala ihany koa ilay Ben’ny tanàna.

Pati

Dans la même rubrique