airtel

Fandriampahalemana

17-févr-2022

Fandriampahalemana

Boriborintay faha-4 Noraofin’ny polisy ireo mpijorojoro amoron-dalana

Sample post image

Lehilahy miisa 11 no nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny Boriborintany fahaefatra ny 15 febroary lasa teo tokony

17-févr-2022

ho tamin’ny 07ora hariva rehefa nijorojoro sy niloka teny amoron-dalana. Raha araka ny fantatra mantsy dia manakorontana ny manodidina no sady miteny ratsy ary mampianatra ireo tanora hirona amin'ny filokana ny hataon'ireto lehilahy ireto ka tsy maintsy nosamborina izy ireo. Faritra maro eto an-drenivohitra moa no ahitana lehilahy maro mijorojoro tahaka izao koa inoana fa hiitatra amina faritra maro ny hetsika. Tsy an’asa ny ankamaroan’izy ireny izay lasa manendaka mihitsy ny sasany ka tokony handraisana fepetra.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap