airtel

Fandriampahalemana

16-sept-2021

Fandriampahalemana

Brieville Maty notifirin'ny jiolahy izy mianaka

Sample post image

Nirefodrefotra ny basy tao Brieville ny Alakamisy 09 Septambra lasa teo tokony tamin'ny 07 ora hariva. Andian-jiolahy voalaza fa mitam-piadiana no naka an-keriny Ramatoa mpivarotra PPN tao an-tanàna.

16-sept-2021

 Notifirin’ireo tsy mataho-tody teo amin'ny kibony ny zanany lahy nandritra izany ka nentina notsaboina tao amin'ny hopitaly tao Ambatondrazaka. Notifirin'izy ireo ihany koa ilay Ramatoa mpivarotra rehefa nifanenjehan'ny zandary ireo olon-dratsy ka namoy ny ainy avy hatrany. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha. Omaly alarobia 15 septambra ihany koa mantsy no nodimandry ilay tovolahy sahabo ho 20 taona zanak’ilay Ramatoa noho ny ratra mafy nahazo azy. Ny rainy sy ny zandriny vavy kely sisa araka izany no hany sisa tavela ao anatin’ity ankohonana iray ity.

Nangonin’i Pati

 

 

Dans la même rubrique