Tsy ny fiara na moto irery intsony amin’izao no misy mangalatra fa lasibatra ihany koa ny lakana afaka mikarama mampidi-bola. Nisy lakana iray very tany Cinzano, distrikan’i Brickaville ny volana Jona lasa teo. Natao ny fikarohana io fitaovam-pitaterana io nandritra ny volana maromaro saingy tsy hita mihintsy ka afa-nenina ny tompony. Afak’omaly Alarobia 14 Oktobra anefa dia hita soa aman-tsara ilay lakana. Nanampy ny tompony tamin'ny fikarohana azy ireo zandary avy ao amin'ny brigade territoriale ao Brickaville, raha araka ny vaovao azo. Efa nahavitan'ilay olona nahazo azy antontan-taratasy moa ilay lakana saingy tratran’ny zandary ihany ny hosoka nataon'izy ireo. Tsara ny manamarika fa betsaka amin’ireo olona very fiara sy moto eto an-drenivohitra ihany koa no efa hahavitan’ny olona papiers tahaka izao ny fananany. Mila mailo hatrany noho izany ireo very fananana. Toraka izany koa ny mpividy saingy sanatria sendran’ny entana halatra tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Mahazaka mpandeha maromaro ihany ity lakana very ka hita indray ity !