airtel

Fandriampahalemana

07-juin-2022

Fandriampahalemana

Dahalo narovana amin’ny fitsaram-bahoaka Nitsoaka ka maty voatifitra ihany ny farany

Sample post image

Ny alin'ny 30 hifoha 31 mey lasa teo, tany ho any amin'ny misasakalina, niantso "Vonjeo" ramatoa Dadie, monina ao Antsirabe-Afovoany, distrikan’i Mandritsara, satria nisy olon-dratsy namaky sy niditra an-keriny ny tranony,

07-juin-2022

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nifanenjehan'ny zandary ao amin'ny Toby ao an-toerana niaraka tamin'ny fokonolona ilay olon-dratsy avy eo ka tratra tao an-tanàna. Tsy iza io fa i Jean Be, dahalo ikoizana. Mpamerin-keloka ary fototry ny halatr'omby sy asan-jiolahy ao anatin'ny kaominina Antsirabe-Afovoany sy ny manodidina izy. Ny 3 jona lasa teo izy dia nentina niala ny tanàna, tokony ho misasakalina hihazo an'i Mandritsara, mba tsy ho hitan'ireo fokonolona nikasa mafy ny hanao fitsaram-bahoaka azy. Tokony ho tamin'ny 3 ora maraina, raha nandalo tao amin'ny toerana antsoina hoe Andrikarika, kaominina ambanivohitra Antsirabe-Afovoany, isan’ny faritra mena, dia nampiseho ny maha dahalo azy i Jean Be ka mbola tafaporitsaka ihany saingy lavon'ny balan'ny Zandary. Samy efa nanao ny asany na ianareo zandary na ny fitsarana fa io olona io mihitsy no tsy hiova ka aleo indray izahay vahoaka hanao ny anay, hoy ny hatezeran’ireo fokonolona. Niezaka nanavotra azy ny zandary ka nitondra azy amin’ny andro alina, mba tsy ho hitan'ny vahoaka kinanjo tsy nifanaraka tamin'ny eritreriny izany ka izao niteraka ny fahafatesany izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Diso kajy I Jean be, hoy ny zandary
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap