airtel

Fandriampahalemana

12-mai-2023

Fandriampahalemana

Daraina, Vohemar Nakorontan’ireo mpamaky fasana ny taolam-balon’ny maty

Sample post image

Tena mampihoron-koditra ny fihetsika hasehon’ireo mpamaky fasana any amin’ny distrikan’i Vohemar. Fasana tsy latsaky ny 4 omaly maraina no fantatra fa nisy namaky.

12-mai-2023

Navoakan’ireo mpanao ratsy teo ivelany avokoa ny taolam-bato rehetra no sady nosavasavainy tsy nananany hantra. Olona sendra nandalo no nahita ny lamba sy ny taolam-balo efa niparitaka ka nampiantso sy nampandre ireo tompom-pasana. Ny hany feo mandeha moa dia mety ho volamena na fananana hafa no nokarohin’ireo mpamaky fasana tao amin’ireo fasana ireo. Ankoatra ity distrika iray ity dia nisehoana vaky fasana ihany koa tany Moramanga Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra. Fasana miisa no lasibatra tamin’izany ka taolam-balo tsy latsaky ny 21 isa no very. Efa misokatra moa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana. Raha araka ny feo mandeha hatrany manoloana ny tranga tahaka itony moa dia hanafenan’ireo mpanao ratsy vovo-bolamena any anatin’ireny taolam-paty hangalariny ireny, antony mampirongatra izany fatratra eto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo fasana vaky tany Vohemar sy Ambatolampy
 

Dans la même rubrique