airtel

Fandriampahalemana

05-oct-2022

Fandriampahalemana

Depiote Jean Nicolas Randrianasolo “Misy dahalo aminay depiote ao”

Sample post image

Hitory ny miaramila nahavanon-doza tamin’ny raharaha Bekily aho, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka, Jean Nicolas Randrianasolo.

05-oct-2022

Hitory depiote koa, hoy izy, satria marina mihitsy izany ny filazan’ny olona fa misy dahalo aminay depiote ao. Ny depioten’i Bekily mihitsy izany no naniraka olona hanao dahalo. Tsy vao anio izy no nanao an’io fa efa hatramin’izy ben’ny tanana. Misy kopaka isasahany ao. Hampanaoviny kahie izany ilay olona. raha mahazo 30.000 Ariary isaky ny kilaon’ireo omby niisa 107 voalaza fotsiny ireo izy dia heritrereto nefa tsy izay fotsiny no azony tamin’io. Maninona no tsy najanonao tao amin’ny kaomininay tao fotsiny ilay izy fa tonga dia nalainao? Raha fintinina ny zava-nitranga dia anaty distrika feheziko ny kaominin’Ambatovary. Ny 9 septambra teo no napoakan’ireo tao amin’ilay fokontany antsoina hoe Mitsinjo ilay izy. Fianakaviana maromaro no ao. Lasa ny omby. Novonovonoin’ireo ilay vahoaka. Maty ny olona miisa 2. Tsy latsaky ny 10 ny isan’ny omby lasan’ireo any. Nalainy ny basy sy moara dia mody napetrany teo mba hiapangana fa dahalo ireo mponina novonoiny. Maninona no tsy tany amin’ilay toerana nakana an’ilay omby no novonoina ilay olona raha dahalo fa tsy nentina tany Bekily ? 107 no isan’ny omby tena nalain’ireo teo miaraka amina ondry miisa 210. Miisa 22 ireo miaramila nanao izany rehetra izany. Ny solombavambahoakan’i Bekily no ao ambadik’izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique