airtel

Fandriampahalemana

01-févr-2022

Fandriampahalemana

Distrikan’Ambohidratrimo Matory any an-tsena ny zaza amam-behivavy…

Sample post image

Mandry tsy lavo loha ireo mponina ao anatin’ny kaominina 6 amin’ny 24 isa mandrafitra ny distrikan’Ambohidratrimo. Raha araka ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia efa matory any an-tsaha mihitsy ny

01-févr-2022

 zaza amam-behivavy amin’izao vokatry ny tsy fandriampahalemana. Efa amam-bolana maro no niainan’izy ireo izany raha araka ny fantatra vokatry ny asan-dahalo. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ambohimpihaonana ohatra dia omby miisa 14 no lasan’ny dahalo tamin’ny herinandro teo. Tokantrano iray no notafihin’izy ireo tamin’izany ka ny 5 tamin’ireo omby ireo monja no tafaverina amin’ny tompony. Manampy trotraka izany hoy ireo Ben’ny tanana ny haratsian-dalana ka tsy hahafahana mamoaka ny vokatra. Nanatanteraka fivoriana teny Ivato izy ireo omaly. Anton’ny fihaonana ny mba hahafahana mampita ny vaovao amin’ny fitondrana ka hitadiavana fanampiana toy ny fampitomboana isa ny mpitandro ny filaminana. Nohavaozina ihany koa ny birao mitantana ny fikambanana, natrehin’ny solombavambahoaka voafidy ao Ambohidratrimo.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique