airtel

Fandriampahalemana

12-déc-2023

Fandriampahalemana

Distrikan’Andilamena Lavon’ny zandary i Thierry dahalo raindahiny

Sample post image

Dahalo raindahiny amin'ny halatr'omby sady mpampihorohoro vahoaka amin’ireo kaominina

12-déc-2023

Ambany Andrefana anatin'ny distrika andilamena i Thierry na Samuel Thierry Rakotovelo. Anisan'ireo tompon'antoka tamin'ny halatr'omby 95 niseho tao amin'ny fokontany Tsaratsabo CR Tanananifololahy ny taona 2016‚ lehiben'ny tambazotran-jiolahy mpampihorohoro vahoaka‚ efa nigadra fa tsy mbola fay ary mbola manohy ny asa ratsiny hatrany, hoy ny tatitry ny zandary. An-taonany no nikarohana azy, ka nahazo vaovao momba azy avy tamin'olona tsara sitra-po ny Vondron-tobim-paritra ny Zandarimaria Andilamena ny 07 Desambra 2023 teo ka nidina ifotony ary voasambotra tao Antanimenabaka, kaominina ambanivohitra anatin'ny Distrika Andilamena ranamana. Nandritra ny famotorana savaranonando natao azy no nilazany fa any amin'i Jarivo mipetraka ao Befania Fkt Ampondravelo CR Maroadabo ny "kalachnikov" nampiasainy sy ireo Ekipany. Efa namoahana "Filazana fikarohana" ny taona 2022 ihany koa io Jarivo io ary mbola tsy hita hatramin'izao, hoy ny tatitra. Nambaran’ny zandary, fa teny an-dalana hamonjy io toerana voalaza io no nanararaotra ny toetr'andro ratsy sy ny aty ala i Thierry ka tafaporitsaka, ka raikitra ny fifanjevoana ary nasaina nijanona fa vao mainka nandositra noho ny hakingany sy ny hafetseny. Voatery nampiasa ny fitaovana teny am-pelatanany ny zandary ka izay no nahalavo azy. Nanamafy ny Kapiteny Tobiasy fa mitohy ny ezaka amin'ny fampandriana ny fahalemana ato amin'ny Distrika Andilamena sy ny manodidina, ary tsy maintsy hatao hazalambno ireo dahalo mpampihorohoro sy zatra mihalokaloka matoky manana Raiamandreny mpiaro amin'ny ratsy.
Toky R

 

Dans la même rubrique