Fokontany Mahatalaky, Kominina ambanivohitra Ivahona, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Lehilahy miisa 3 no voasambotra vokatr’izany. Raha tsiahivina dia ny 6 may lasa teo, tamin'ny 5 ora maraina, no nahazo antso an-telefonina ny lehiben'ny zana-tobim-paritra tao Ivahona, mikasika ny fisian'ny andian'olona maromaro milanja rongony avy any amin'ny tangorom-bohitra Andriry. Rehefa izay, dia niroso tamin'ny velam-pandrika ahafahana mahatratra ireo mpitarazo rongony ireo avy hatrany ny zandary tao amin'ny PA Ivahona. Nanampy azy ireo tamin'izany ny avy aty Betroka. Vokany, rongony 50 tarazo miisa 100 gony, milanja 1450 Kilao, no sarona rehefa nafenin'ireo mpilanja rongony tao anaty ala antsoina hoe Agnalampangitsy, fokontany Mahatalaky, komina Ambanivohitra Ivahona. Lehilahy miisa 3 ihany koa no tratra tao an-toerana niaraka tamin'ireo rongony ireo, izay efa nentina any Betroka hatao andrimaso ao amin'ny Borigady ao an-toerana mialohan'ny hanolorana azy ireo eny amin'ny fampanoavana any Betroka. Mitotaly 175 gony sy sasany ny rongony saron'ny Zandarimariam-pirenena tao Betroka tamin'ity volana may vao manomboka ity. Hodorana avokoa ireo rongony ireo rehefa mahazo alalana ahafahany miroso amin'izany ny Zandary, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy tamin'ny komandin'ny vondro-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Betroka.
Nangonin’i J. Mirija
Efa nisy teto ny hoe hala-jaza, mpaka fo, mpangalatra taolam-paty, mpaka an-keriny,
Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,