airtel

Fandriampahalemana

02-août-2022

Fandriampahalemana

Eliane, zaza varira nisy naka an-keriny Efa tonga eo anivon'ny fianakaviany

Sample post image

Salama tsara i Viviane ilay zazavavy kely varira 4 taona nisy naka an-keriny tany Ambilobe ary efa tafaverina soa aman-tsara eo anivon'ny fianakaviany.

02-août-2022

Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny datin'ny 20 hifoha 21 jona lasa teo no nisy naka tany Ankaratra Ambilobe ity zaza tsy manan-tsiny ity. Nentin'ireo mpanao ratsy nandehandeha izy nandritra izany ka tamin'ny datin'ny 21 jolay lasa teo izy no nisy nahita tany Ankalika Toliara. Olona 3 tany an-toerana moa no efa nosamborina tany Toliara raha olona 3 mpiray tsikombakomba aminy ihany koa ny tany Ambilobe. Vehivavy ny iray amin'izy 6 mianadahy ireto. Mbola mitohy ny fikarohana mahakasika ity raharaha ity. Hiakatra fitsarana tsy ho ela kosa izy 6 mianadahy ireto.
Nangonin'i Pati
Legende : I Viviane kely salama soamantsara
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap