airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2025

ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

Sample post image

11-sept-2025

Naharay fitoriana ny Polisim-pirenena avy ao Tsiroanomandidy momba ny halatra nataona mpiasa iray tamin’ny mpampiasa azy tany an-toerana ny 03 Septambra lasa teo. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny Polisy avy ao Bongolava dia fantatra fa niakatra teto Antananarivo ilay mpangalatra ka tao amina efitrano iray tao amin'ny Sekoly iray tao Mahamasina no nanafenany ireo entana halatra. Afak'omaly Talata 09 Septambra dia niroso tamin’ny fisavana tao amin’ilay trano nanafenana ireo entana tao amin'io sekoly voatonona io ny Polisy rehefa nahazo taratasy fahazoan-dalana hisava ny toerana avy amin’ny Fitsarana ary efa nahazo alalana tamin’ny talen' ny sekoly koa. Rehefa nosavaina ny toerana fametrahana entana tao amin’ny faritry ny sekoly dia hita tao avokoa ireo entana halatra tany Bongolava. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny Polisy hikarohana ny tompon'antoka tamin'ity halatra ity.
Pati
Légende : Ireo entana halatra avy any Bongolava hita teto an-drenivohitra !
 

Dans la même rubrique