airtel

Fandriampahalemana

28-juil-2022

Fandriampahalemana

Fahavakisan’ny trano fiantohana MAMA Iray naiditra am-ponja, roa arahi-maso ara-pitsarana

Sample post image

Lehilahy iray naiditra am-ponja vonjimaika,roa hafa arahi-maso ara-pitsarana. Io no vokatr’ilay fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana taorian’ilay raharaha vakitrano nitranga tany Miarinarivo

28-juil-2022

ny farany herinandro lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay fitarainana avy amin'ny kaompanian’ny fiantohana MAMA sy ny fitaleavam-paritry ny hetra Itasy ny teo anivon'ny CSP Miarinarivo ny sabotsy 23 jolay lasa teo fa nisy vaky trano izay nahaverezana moto sy vola mitentina 774 022 ar tao amin'ny biraon'ny trano fiantohana MAMA. Niampy solosaina roa very izany, tranga niseho tao amin'ny biraon'ny fitaleavam-paritry ny hetra Itasy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompon'andraikitra ka nanokatrana ny fanadihadiana. Vokany,hita ny moto niaraka tamin'ny tovolahy telo,ka natao famotorana avy hatrany ireto farany. Afak’omaly Talata 26 Jolay no natolotra ny fitsarana izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika ny iray raha arahin'ny eo anivon'ny fitsarana maso akaiky ny roa ambiny.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy sy ilay moto tratra
 

Dans la même rubrique