airtel

Fandriampahalemana

28-janv-2025

FAKA ?A AN-KERINY TANY ANJOZOROBE

Mbola tsy voaporofo ny fahafatesan’ireo vehivavy 4

Mbola tsy voaporofo hoy ny fianakavian’izy 4 mirahavavy nalain’ny dahalo an-keriny tany Andranomiady,

28-janv-2025

kaominina ambanivohitra Ambohibary, distrikan’Anjozorobe ny datin’ny 18 Desambra teo raha efa tena maty voatifitra marina izy ireo na tsia. Vao tamin’ny Zoma 24 Janoary lasa teo mantsy no fantatra fa nahazo antso avy tamin’ilay dahalo indray ny fianakavian’izy 4 mirahavavy ireo izay nanafatra vola tamin’ny Mvola saingy tsy mbola nalefany ilay laharam-pinday. Nilaza izy ireo tamin’izany fa tsy omeny ny fatin’izy 4 mirahavavy raha tsy azony ilay volabe notadiaviny izay nidina 12 tapitrisa Ar isan’olona rehefa natao ny ady varotra teo amin’ny roa tonta. Raha tsiahivina mantsy dia 20 tapitrisa Ar isan’olona no notakian’ireo dahalo ireo tamin’ny fianakaviany ho tambin’ny ain’izy 4 mirahavavy. Mbola mino araka izany ny fianakavian’izy 4 mirahavavy ireo fa mbola velona any ny havany. Mbola tsy eto am-pelatananay ny razana hoy hatrany izy ireo, antony tsy hanaparitahay ny vaovao fa efa tena maty marina izy ireo. Notsiahiviny moa fa saika nivoaka avy amin’ny fianakaviana sahirana 4 mirahavavy ireo. Antony nankahalan’ireo dahalo azy ny fanomezan’izy ireo sakafo ny mpitandro ny filaminana rehefa manao fisafoana ireto farany. Miisa 11 lahy moa izy ireo raha araka ny fantatra izay nitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika no sady tsy nisaron-tava ihany koa.
Pati
Legende : Mitohy hatrany ny fakana an-keriny olona eto Anjozorobe !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap