airtel

Fandriampahalemana

10-juin-2022

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny hafahafa Tovovavy iray indray no nisy nanary teny Ambohijoky

Sample post image

Tovovavy iraay mboa tena tanora erotrerony no hita teny Ambohijoky omaly hariva; rah any angom-baovao teny an-toerana sy ny nambaran’ny depioten’Atsimondrano Andry Ratsivahiny dia nisy nanary teny Ambohijoky ity tovovavy ity.

10-juin-2022

Hita ho hafahafa , toa verivery saina izany izy, tsy miteny , tsy mivolana , tsy mety mamaly rehefa anontaniana ary hita ho matahotr’olona indrindra fa raha lehilahy no manatona azy.Tombanana ho nisy naka an-keriny ity tovovavy ity tahaka ireo tranga efa nisy tany aloha ka nariana avy eo.Tsy mbola fantatra mazava hoe fiara toa inona no nanary ity tovovavy izy, na hoe nandeha tongotra ve izy sa ahoana. Taona faha 5 eny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona izy, izany hoe olona mianatra sy salama saina tsara.Tsy mbola fantatra mazava ny nanjo azy sy ny nihatra taminy fa efa nentina any amin’ny hopitaly mba hatao fizahana sy omena ny fitsaboana sahaza azy izy aloha.Voalazan’ireo nanatri-maso ihany koa fa misy karazana ratra amin’ny tanany; tombanana fa nomena zava-mahadomelina mahery vaika ity tovovavy ity raha ny fahitana ny fihetsiny ondrakondrafana sy toa hafahafa izany.Mbola mitohy izany ilay resaka fakana an-keriny hafahafa na dia efa nohamafisina aza ny fitandroana ny filaminana sy ny fisafoana etsy sy eroa ho an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria CSP Itaosy

Card image cap
12-avril-2024

Efa misy mahatratra 1 tapitrisa Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely iray amin’ireo karazany vazaha na chien de race.

Card image cap
12-avril-2024

Jiolahy iray 25 taona no nosamborin'ny polisy tao amina tokantrano iray teny Tsarahonenana Itaosy ny 09 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora hariva rehefa nikasa hamaky trano.

Card image cap