airtel

Fandriampahalemana

03-juin-2022

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny mirongatra Efa misy fiara sy olona araha-maso

Sample post image

Manoloana ny raharaha fakana an-keriny tovovavy nirongatra tato ho ato dia nanao fanambarana omaly ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa misy ny fepetra maromaro ho raisain’izy ireo.

03-juin-2022

Efa misokatra ny fanadihadiana ifandrimbonan’ireo rantsana manokana eo anivon’ny borigady misahana heloka bevava, ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, ny sampan-draharaha misahana ny heloka ana habaka, borigady misahana ny zava-maha domelina ary ny polisy an-tanan-dehibe. Namafisina ireo fepetra efa noraisina eo anivon’ireo toeram-pianarana eto an-drenivohitra iaraha-miasa amin’ny CISCO. Ho hamafisina koa ny fisafoana eny amin’ireny toerana mahavory olona sy be olona ireny, indrindra, ny faritra ivoahana sy idirana eto an-drenivohitra. Miantso ny ray aman-dreny sy vahoaka ho tony sy tsy hisalasala hanome ny angom-baovao na fiara mampiahiahy io na olona mampiahiahy. Mahakasika ireo tranga miisa 2 niseho tamin’ity herinandro ity dia efa misy fiara sy olona araha-maso mampiahiahy ary eo am-pikarohana izahay ankehitriny. Antsoy ny 0202228170 ahafahana misambotra ireo olona manakorontana saim-bahoaka ireo, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
Legende: Efa manadihady mba hamantarana ny tena marina ny polisim-pirenena

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria CSP Itaosy

Card image cap
12-avril-2024

Efa misy mahatratra 1 tapitrisa Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely iray amin’ireo karazany vazaha na chien de race.

Card image cap
12-avril-2024

Jiolahy iray 25 taona no nosamborin'ny polisy tao amina tokantrano iray teny Tsarahonenana Itaosy ny 09 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora hariva rehefa nikasa hamaky trano.

Card image cap