airtel

Fandriampahalemana

14-sept-2021

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny tao Antsirabe Tratra ireo namono sy nitetitetika ilay zazavavy

Sample post image

Nahitam-bokany indray ny ezaky ny mpitandro filaminana momba ny resaka fakana an-keriny tao Antsirabe, rehefa nokarohina nandritra ny 7 volana ireo mpanao ratsy.

14-sept-2021

 Taorian’ny 5 septambra lasa teo mantsy dia nanomboka hita ny nisy ireo olon-dratsy nanao izany, araka ny vaovao voaray avy any Antsirabe. Araka ny fanazavana nentin’ny Kaomisera Andriamampionona Ramaromanompo Romule, dia ny 25 martsa no nitrangana ny fakana an-keriny ny zazavavy iray antsoina hoe Maminirina Charline ary tsy hita izy nanomboka teo. Ny 31 martsa 2021 dia nisy olona nitaky vola 10 tampitrisa Ariary tamin’izy ireo, ka hovonoin’izy ireo ilay zazavavy raha tsy manome io vola io ny Ray aman-dReniny. Tsy nisy moa ny vola ka novonoin’ireo olon-dratsy ilay zazavavy ary teny Andranomanelatra no nahitana ny fatiny efa votetitetika ny 4 aprily lasa teo. Nangina ny raharaha teo, saingy ny 5 Septambra lasa teo dia nahazo antso indray ny fianakaviana fa hovonoin’izy ireo indray ny zokin’i Charline ilay efa maty raha tsy manome vola 3 tapitrisa Ariary indray ny fianakaviana. Teo no nanomboka ny fikarohana tamin’ny alalan’ilay antso an-tarobia ka tratra tao Mangaika, kaominina Bongatsara ny olona roa nitazona ilay laharana ary hita teo ihany koa ilay zokin’ilay zazavavy efa maty, izay tsy nahalala mihintsy ny fandehan’ny resaka rehetra. Olona 3 moa no natolotra ny fampanoavana omaly maraina, fantatra fa niray tsikombakomba tamin’ity fakana an-keriny tovovavy ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria CSP Itaosy

Card image cap
12-avril-2024

Efa misy mahatratra 1 tapitrisa Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely iray amin’ireo karazany vazaha na chien de race.

Card image cap
12-avril-2024

Jiolahy iray 25 taona no nosamborin'ny polisy tao amina tokantrano iray teny Tsarahonenana Itaosy ny 09 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora hariva rehefa nikasa hamaky trano.

Card image cap