airtel

Fandriampahalemana

13-mai-2024

FAKANA AN-KERINY TAO MANDRITSARA

Avotra ilay tovovavy, jiolahy iray voatifitra

Sample post image

Avotra soa amantsara ilay tovovavy nalaina an-keriny rehefa nidinan'ny Polisy miasa ao amin'ny CSP Mandritsara ifotony.

13-mai-2024

Nihafara tamin'ny fifandonana ity fanavotana ilay nalaina an-keriny ity ny alin'ny 10 Mey lasa teo noho ilay jiolahy nampiasa hery nanohitra ny Polisy. Ny harivan'ny zoma 10 Mey 2024 tokony ho tamin'ny 06 ora sy sasany raha tsiahivina no naharay antso ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’i Mandritsara fa nalain'ny jiolahy an-keriny ny tovovavy iray 20 taona ary nentiny nogiazana tao Ambohimandroso Mandritsara. Tsy niandry ela anefa ny Polisy fa avy hatrany dia namonjy ilay toerana voatondro ka Polisy miisa 6 no nisahana ny famonjena ilay niharam-boina. Vantany vao hitan'ilay jiolahy ireto Polisy dia nivoaka izy ary nitondra sabatra lehibe iray. Nampitandremana ity farany mba hijanona sy hametraka ny fitaovam-piadiany kanefa dia nanohy ny lalany hatrany. Nanao tifi-danitra hampitahorana azy ny Polisy fa saika hikapa tamin'ny antsibe ny iray tamin'ireo Polisy izy ka tsy maintsy notifirina. Voa teo amin'ny kibony ilay Jiolahy ary naratra mafy. Avotra soa aman-tsara tao amin'ilay trano nanagiazana azy kosa ilay tovovavy araka izany. Ilay jiolahy kosa noentina teny amin'ny Hopitaly mba ho tsaboina. Fantatra fa tovolahy iray 30taona ity jiolahy nanao asa ratsy ity ary efa naverina tamin'ny Ray amandreniny kosa ilay tovovavy niharam-boina.
Pati
Legende : Nitolefika tahaka izao ilay jiolahy voatifitra !
 

Dans la même rubrique