airtel

Fandriampahalemana

18-févr-2022

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny zanaka Karana 400 000 euros ny vola notakiana, 7 voasambotra

Sample post image

Olona miisa 7 hatramin’ny omaly no efa voasambotra mikasika ilay raharaha fakana an-keriny zanaka karana vao 3 taona monja teny Ambodivonikely Ambohimanarina niseho ny 07 febroary lasa teo.

18-févr-2022

Raha tsiahivina kely ny tantara dia jiolahy miisa 4 no indray niditra tao amina orinasa iray eny an-toerana niaraka tamin’ny basy sy ny big boss tamin’io andro io ary naka ity zaza ity avy hatrany. Nentiny teny Antanandrano ilay zaza raha araka ny fanazavan’ny kolonely Randriantahiana, tompon’andraikitra misahana ny ady heloka bevava etsy Fiadanana izay mandray an-tanana ny raharaha ary nentiny teny Ambatobe avy eo. Nandeha ny antso an-telefaonina niampita tany amin’ireo Ray aman-dRenin’ilay zaza nandritra izany fa mila 400.000 Euros izy ireo ho tambin’ny famotsorany ilay zaza tsy manan-tsiny. Nihetsika ihany koa anefa ny zandary taorian’izany. Tamin’io andro io ihany saingy tokony ho tamin’ny 08 ora alina dia naterina vehivavy iray ilay zaza ary nambarany fa sendra hitany teny Ambatobe. Ity Ramatoa ity no natao fanadihadiana araka izany ka nanoro ireo namany ary fantatra tamin’izany fa monina ao Ankadifotsy ilay tena atidoha nikotrika ity fakana an-keriny ity. Olona roa sisa no tadiavina amin’ity raharaha ity.
Pati
Legende : Ireto izy 7 efa tratra
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap