airtel

Fandriampahalemana

19-août-2021

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny zazalahy kely Tratra ilay rangahy nitaky 4 tapitrisa Ar

Sample post image

Tratra tao Antsohihy omaly alarobia 18 aogositra ilay rangahy nitaky vola 4 tapitrisa Ar ho takalon'ilay zaza lahy 7 taona nalainy an-keriny tao amin'ny Fokontany Andranomena,

19-août-2021

 Kaominina Ampandriankilandy efa roa herinandro lasa izay. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 30 jolay lasa teo no tonga nitaraina tao amina fianakaviana iray Rtoa Sahondra nilaza ny amin'ny tsy fahitany ny zanany atao hoe : Daslin. Voalaza mantsy fa nentin'ny raikeliny antsoina hoe : Alizara na i Lebandrainy hanefa vidim-panafody tao Ampandriankilandy ny zanak’io Ramatoa io ny 29 jolay lasa teo. Akory anefa hagagan'ny Rtoa Sahondra raha niantso ilay rangahy izay nilaza fa lasa lavitra izy ireo ary tsy haveriny ilay zazalahy raha tsy manome lela-vola 4 tapitrisa Ar azy izy ireo ho takalon’izany. Nataon’ny zandary ny vela-pandrika nandritra izany ka sarona soa aman-tsara ity lehilahy iray ity. Marihina moa fa salama tsara ilay zazalahy ary efa eo akaikin’ny fianakaviana izy. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela kosa ilay rangahy nanao asa ratsy.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique