airtel

Fandriampahalemana

10-août-2022

Fandriampahalemana

FAMAKIANA FIARA SY HALATRA KOJAKOJA Tovolahy iray tratra teny Ankadifotsy Befelatanana

Sample post image

Tovolahy iray 23 taona no tratra teny Ankadifotsy Befelatanana rehefa namaky fiara sy nangalatra kojakojam-piarakodia.

10-août-2022

Ny alin’ny Alahady hifoha alatsinainy teo no nahatrarana azy io rehefa nanao ny asa fisafoana ny polisy miasa ao amin’ny CSP3 ka nandalo toeram-piantsonana sy fametrahana fiara iray teny amin’ny manodidina. Tao anaty maizimaizina tsy misy mpahita no nahenoana feona fiara misy manakatona ny varavarany, kanefa tsy misy jiro mirehitra. Nanantona ilay fiara ny Polisy ka inona tokoa, fiara iray no efa voapitsoka ny varavarany no hita tao. Tratra tao anatiny ny tovolahy iray teo am-pamakiana fiara. Eo am-pikirakirana ny « auto-radio » ity farany no izao tratra izao, ary tsy manana lakilen’ny fiara akory izy rehefa nanontaniana. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao izy, araka izany nanaovana fanadihadiana. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa mpanao io asa ratsiny io izy ary amin’ny alina foana no matetika hanatanterahany izany. Na izany aza tsy nisy na inona na inona azony tamin’ny famakiana ity fiara ity . Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap