airtel

Fandriampahalemana

18-juil-2022

Fandriampahalemana

Famakiana fiara sy vola sandoka Nampangain’ilay porte feuille-ny ilay mpangalatra

Sample post image

Lehilahy iray 33 taona no nosamborin’ny Polisy miasa eny Ambohimanarina ny herinandro lasa teo rehefa namaky fiara sy nitondra vola sandoka.

18-juil-2022

Fiara nipetraka tao amin’ny « parking » iray mifefy tamboho ana tokantrano iary teny amin’ny faritra iny no novakian’ity jiolahy ity tokony ho tamin’ny 02ora maraina ny andron’ny 09 jolay lasa teo. Ren’ny tompon’ny fiara anefa izany asa ratsiny izany ka nivoaka ity farany nijery ny zava-nisy. Vao nahita azy anefa ity olon-dratsy ity dia nandositra avy hatrany. Marihana fa tsy nahatondra na inona na inona izy tamin’izany. Nametraka fitoriana teny amin’ny Polisy miasa eny an-toerana ny tompon’ny fiara ny marainan’ny 09 jolay. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nidina nijery ny fiara ny polisy ka nahita « portefeuille » tao anatin’ilay fiara izay nahitana karapanondron’ity olon-dratsy ity. Mbola nahitana vola sandoka mitontaly 220 000 ar ihany koa tao anatiny ka 20 000 ar miisa sivy sy 10 000 ar miisa efatra no fitambarany. Tamin’ny alalan’io karapanondro io no nahafahana nisambotra ity olon-dratsy ity ka voasambotra ny 13 jolay 2022 teo ity farany. Natolotra ny fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique