airtel

Fandriampahalemana

03-sept-2025

Famerenan-keloka hafa kely

Nitaky famerim-bola 5000 Ariary nefa tsy nanome saran-dalana

Sample post image

Voasambotry ny polisim-pirenena PPA4 Antaniavo omaly

03-sept-2025

maraina ny ramatoa iray, raha ny fampitàm-baovao voaray. Tao anaty taksibe 114 izy, hoy ny fanazavàna. Tsy nanome saran-dalana nefa tsy nihambahamba nitaky famerim-bola 5000 Ariary. Ny iray taksibe tonga dia niteny azy hoe «Tsy nanome «frais» izany ianao!». Izy rahateo efa fantatr'olona ka niala maina nony farany. Nametraka fitoriana azy ny resevera mpanampy mpamily. Nony tao amin'ny biraon'ny polisy dia nody adala izy, tsy mahalala ny mombamomba azy, hoy hatrany ny voalaza. Fanindroany moa ity ramatoa ity no nanao izao famerenan-keloka hafa kely izao, raha tsiahivina, ary efa nisy nanaparitaka tanaty tambazotran-tserasera toy izao ihany koa.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap