airtel

Fandriampahalemana

22-mars-2022

Fandriampahalemana

Famonoana an’i Danil Radjan Afaka ireo 4 voarohirohy, nosamborina inday avy eo

Sample post image

Herintaona sy tapany taorian’ny tranga nahafatesan’ilay teratany Danil Radjan ny 19 septambra 2020 teny amin’ny “La City” Ivandry,

22-mars-2022

 nafahan’ny fitsarana ilay teratany Frantsay Lionel Lelièvre sy ny namany teratany malagasy telo lahy, voarohirohy ho namono ity teratany indo-pakistanais ity. I Lionel Lelièvre, izay marihina fa lehiben’ny orinasa « Cops » misehatra amin’ny fiambenana. Naverina nentina teo anoloan’ny Fitsarana ny porofo rehetra avy amin’ny mpitory sy ny voampanga omaly 21 martsa 2022, ka io ny didy nivoaka, taorian’ny fihainoana adin’ny valo teo. Notsenain’ny mpitandro filaminana mitondra basy avy hatrany indray anefa izy 4 ireo, raha vantany vao nivoaka ny fitsarana. Voalaza mantsy fa misy didy fampisamborana iraisam-pirenena momba azy 4, ka tonga dia nampiharina. Raha misy tokoa io didy fampisamborana avy amin’ny “Interpol” io dia homen’ny Fitsarana malagasy ny Fitsarana frantsay ireo olona ireo, ary hanaraka ny pitsopitsony araka ny lalàna momba izany, hoy ny mpisolovava. Tsiahivina fa nafahan’ny Fitsarana adiheloka bevava izy ireo tamin’ny 3 jona 2021, saingy nofoanan’ny Fitsarana Tampony izany, noho ny fahitana fa misy singa tsy ampy tamin’ny antontan-taratasy nentina nanara-maso sy nandray fanapahan-kevitra. Naverina notsaraina saingy voalaza fa tsy nisy ny porofo nanamarina fa izy ireo tokoa no nanao ny heloka. Afaka madiodio, saingy voasambotra indray. Manana telo andro hampiakarana ny raharaha amin’ny Fitsarana tampony ny mpitory avy amin’ny fianakavian’ny maty.
Toky R
 

Dans la même rubrique