airtel

Fandriampahalemana

24-févr-2021

Fandriampahalemana

Famonoana sy fanolanana zazavavy kely Lehilahy 3 no voasambotra tany Fenoarivo atsinanana

Sample post image

Lehilahy 3 no fantatra fa tompon’antoka tamin’ilay raharaha fakana an-keriny miampy

24-févr-2021

 

 fanolanana ary famonoana zazavavikely iray vao 14 taona monja tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 05 febroary lasa teo no nisy an-keriny ity zazavavy kely ity. Efatra andro taorian’izay izany hoe : ny 9 febroary vao hita ilay tsy manan-tsiny izay efa tsy nisy fofon’aina intsony. Tao anatin’ny alan’ny fokontanin’Andreba, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambodimanga no nahitana ny razana. Fantatra taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana moa fa naolana vao novonoina ity zazavavy kely ity. Tovolahy iray moa no nahiahian’ny fianakaviana ho nahavanon-doza ary niaiky ny heloka vitany avy hatrany. Nanoro ireo namany roa hafa izy nandritra izany izay fantatra fa mbola voafonja mivoaka manao asa ety ivelany ihany. Naverina any am-ponja avy hatrany moa izy ireo taorian’ny niakaran’ny raharaha teny anivon’ny fampanoavana tamin’ny 19 febroary lasa teo.


Pati

 

Dans la même rubrique