Vehivavy iray no lasibatra tamin’izany izay nihosin-dra tokoa. Nirotsaka nanao fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ka fantatra fa lehilahy miisa 3 no voarohirohy tamin’ilay famonoana. Ny Zoma 16 May lasa teo izy ireo no voasambotra ka fantatra fa lehilahy efa niaraka tamin’io vehivavy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io ihany ny iray. Mbola nahatrarana fitafiana nihoson-drà tany amin’ity farany. Niaiky ny iray tamin'izy ireo fa anisan’ireo namono an’ilay vehivavy tokoa. Tanana natao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana eo anivon'ny Kaomisarian'Ikongo ireo voarohirohy hatramin’ny omaly Alahady 18 May ka hiakatra fampanoavana anio Alatsinainy raha tsy misy ny fiovana.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy voaroiroy !
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona