airtel

Fandriampahalemana

06-août-2021

Fandriampahalemana

Fanafihan-dahalo tany Anahidrano Fokonolona 3 naratra, iray nisy namira tamin’ny antsy

Sample post image

Nitrangana fanafihan-dahalo tao Antatatra, Kaominina Anahidrano, Distrikan' Antsohihy afak’omaly Alarobia 04 Aogositra nifoha omaly Alakamisy.

06-août-2021

Vokatr’ilay fanafihana tao Antatatra niseho 27 jolay lasa teo no nahatonga no nahatonga izany. Nanao hetsika ho an'ny fandriampahalemana tany an-toerana mantsy ireo besaboha na fokonolona kinanjo zava-doza no niseho, raha araka ny vaovao azo. Efa ho dimy andro ny nanaovana fanarahan-dia tao Antatatra mantsy ireo Besaboha ireo. Fokontany maromaro no nandalovan'izy ireo tamin'izany ka tao Anjiamangirana Agnava no niangany, nandalo tao Marozama hatrany Maradabo ka rehefa nijanona tao Antatatra izy ireo dia sendra izao fanafihana izao.Nandritra ny fanafihana dia nisy ny voatifitra tamin' ny lohany, tamin' ny tratrany, ary tamin' ny feny. Nisy ihany koa ny voafira antsy teo amin' ny andilany (valahany). Samy efa nentina namonjy ny hopitaly avokoa moa ireo naratra raha araka ny fantatra.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap