airtel

Fandriampahalemana

25-mai-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana Cash point Nijininika ny rà omaly hariva tetsy amin’ny 67 ha

Sample post image

Tsy matin’ireo jiolahy eto an-drenivohitra lolo mihitsy ireo mpanao cash point eto amintsika. Amin’ny ankapobeny mantsy dia heverin’izy ireny ho any amin’ireny olona ireny ny volabe maty nandritra ny tontolo andro sy ny renivola

25-mai-2022

 nampiasaina ka tena arahiny maso fatratra mihitsy. Raim-pianakaviana iray omaly hariva tokony ho tamin’ny 07 ora no nisy nitifitra teo akaikin’ny kianja fanaovana basket etsy amin’ny 67 ha. Raha araka ny fantatra dia irony mpanao cash point ity raim-pianakaviana ity. Norobain’ireo dahalo izy nandritra izany no sady notifiriny. In-telo nisesy ny tifitra nahazo azy raha araka ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana tonga teny an-toerana ka ilay iray nahazo ny lohany. Tsy fantatra mazava moa fa avy any aloha ireo jiolahy na avy any aoriana no nitifitra azy. Efa maizina rahateo ny andro no sady niditra elakelan-trano ka nifampitady ny roa tonta. Niaina tao anaty tebiteby tanteraka ireo mponina eny an-toerana vokatr’izany. Nanakoako mantsy ny feom-basy nefa mbola betsaka ireo olona hamonjy fodiana. Mbola tsy fantatra mazava moa izay vola very hatreto raha efa nentina omaly hariva niazo ny hopitaly kosa ilay namoy ny ainy.
Nangonin’i
Pati Legende : Tahaka izao ny zava-nitranga teny amin’ny 67 ha omaly hariva
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap