airtel

Fandriampahalemana

19-déc-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana cash point tao Tsiroanomandidy Tratra ilay jiolahy, tafaverina ny vola 3 tapitrisa Ar

Sample post image

Tsy mijanona eto an-drenivohitra intsony ireo mpanafika cash point amin’izao. Cash point iray no nisy nanafika ny 16 desambra teo tao Tanambao Mangarivotra, kaominina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy.

19-déc-2022

Vehivavy iray handeha hanidy ilay cash point iray hiasany ary hamonjy fodiana no lasibatra tamin’izany. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny zavatra rehetra teny an-tanany raha araka ny vaovao azo niaraka tamin’ ny vola mitentina 3.000.000 Ar. Naratra ilay vehivavy nandritra izany ka voatery noentina tany ami’ny hopitaly nanaraka fitsaboana.Taorian’ny fampandrenesana voarain’ny Polisy sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona dia raikitra ny fifanenjehana ka tratra tsy lavitra teo ihany ilay lehilahy nahavanon-doza. Mbola tratra teny aminy ny sakaosy izay nisy ireo finday miisa 12 niaraka tamin’ilay vola nandritra izany. Raha araka ny fantatra dia mipetraka any Andranomadio kaominina ambanivohitr’iTsiroanomandidy Fihaonana ity lehilahy ity. Efa tafaverina amin’ny tompony kosa ny vola sy ny entana rehetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana miaraka amin’ilay cash point notafihiny
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap