airtel

Fandriampahalemana

05-mai-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana cash point teny Isotry 3 lahy voasambotry ny polisy

Sample post image

Lehilahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy miasa eny amin'ny boriborintany fahafito ny marainan'ny Asabotsy 30 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora maraina teny Isotry rehefa nanafika "Cash point".

05-mai-2022

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana fanafihana «cash point» iray tetsy alohan'ny FOP 67 ha ny zoma hariva teo tokony ho tamin'ny 5 ora. Miisa 3 ireo jiolahy nanao izany fanafihana izany ary "fer rond" six no nampiasain'izy ireo nanatrobarany ilay mpitazona ilay « cash point » ka lasan'izy ireo tamin'izany ny lelavola mitentina 1.800.000ar ary vaky nandositra nihazo an'iny quartier Iveo iny izy ireo. Tsy lavitra teo anefa ny Polisy miasa ao amin'ny Boriborintany fahafito nanao ny asan'izy ireo dia ny fisafoana ny tanàna ary nisy nampandre momba ilay fanafihana «cash point» eo amin'ny FOP. Namonjy ny niharam-boina ny Polisy ary nanao ny farahan-dia ireto olon-dratsy. Maro no nahatazana ny fihetsik'izy ireo ka nahita ny akanjo sy kiraro nanaovany. Nitohy ny fikarohana nandritra ny alin'ny 29 Aprily ka voasambotra ny marainan'ny 30 aprily 2022 teny Isotry ireto nahavanon-doza ary mbola tsy niova ny akanjo nanaovan'izy ireo. Nandritra ny fisavana azy ireo dia mbola nahitana lelavola 360.000ar tany amin'izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika izy telolahy.
Pati Legende: Ireto izy telolahy !

 

 

Dans la même rubrique