airtel

Fandriampahalemana

02-juil-2021

Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-basy Rangahy iray maty voatifitra, ramatoa vadiny tapa-tanana

Sample post image

Tokantranon’olon-tsotra iray no notafihin’ny jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao Tanambazaha Ambanja, faritra DIANA ny faran’ny herinandro iny. Valo lahy nirongo basy sy zava-maranitra

02-juil-2021

 no voalaza nanao ny fanafihana. Nifitra avy hatrany ireo jiolahy nanerena ny tompontrano hanome vola tao amin’izy ireo. Maty tsy tra-drano tamin’izany ny raim-pianakaviana. Tsy nijanona teo fa mbola nofirain’ireo olon-dratsy tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny tanan-dramatoa vadiny ka montsana mihitsy. Lasan’ireo jiolahy ny vola an-tapitrisany dia iny izy ireo ny lasa. Mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Sesilany ny fanafihan-jiolahy ao Ambanja tato ho ato. Omaly hariva dia tokantranona mpitandro filaminana no notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana tao Begavo I. Tsy nisy aina nafoy fa lasan’ireo jiolahy ny entana sarobidy. Mandry andriran’antsy sy mihorohoro andro aman’alina ny mponina ka manao antso amin'ny fitondram-panjakana mba hanamafy ny fitandroana fahalemana ny tanàna. Mbola manaraka fitsaboana ilay ramatoa tapa-tanana.
Nangonin’i Jean D.
 

Dans la même rubrique