airtel

Fandriampahalemana

12-nov-2021

Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana Jiolahy 3 no matin’ny polisy tany Bongolava

Sample post image

Jiolahy miisa 3 no lavon’ny balan’ny polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra Bongolava ny 16 oktobra teo sy ny 11 novambra 2021 lasa teo tany an-toerana noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana.

12-nov-2021

 Raha tsiahivina dia ny 12 oktobra 2021 tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany ariva dia nisehoana fanafihana mitam-piadiana tao Beloha/Tsiribihana ka ny Polisy miasa any an-toerana no nandray antanana ny fanadihadiana. Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy dia fantatra ireo nandray anjara tamin’izany ary fantatra ihany koa ny toerana fandalovan'ireo olon-dratsy any amin’ny faritra Bongolava iny. Ny 16 oktobra 2021 tokony ho tamin’ny 08 ora sy 45mn alina dia fantatry ny Polisy fa misy andian-jiolahy mivory ao amin’ny toerana iray andrefan’ny Tsenan’omby . Nidina teny ireo tompon'andraikitra ka vantany vao nahatsikaritra ny mpitandro ny filaminana ireo mpivory dia namaly ary nampiasa ny fitaovam-piadiany toy ny basy vita gasy . Lavo nandritra ny fifandonana ny 02 tamin’izy ireo izay nahitana basy vita gasy miisa 02 sy antsy be iray. Ny 07 novambra 2021indray dia fantatra fa tonga ao amin’ny faritra Tsiroanomandidy ireo naman'ireo jiolahy voatifitry ny Polisy ireo. Nanamafy ny fikarohana hatrany ny Polisy miasa any an-toerana. Natao ny fanarahan-dia ary voamarina fa ny 10 novambra 2021 dia nivory tao amin’ny trano iray ao amin’ny faritra Abbatoir izy ireo ary mipetraka sy mivezivezy eny amin’ny faritra Tsarahonenana .Ny 11 novambra 2021 maraina no nifanehatra tamin’ireo mpanao ratsy ny Polisy ary namaly tamin’ny tifitra avy hatrany ny iray tamin’izy ireo raha vao nahatsikaritra ny mpitandro ny filaminana. Lavo nandritra izany fifandonana izany ny mpanao ratsy iray 22 taona. Ity farany moa dia efa mpamerin-keloka amin’ny asa ratsy isan-karazany.
Pati

 

Dans la même rubrique