airtel

Fandriampahalemana

16-mai-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana Jiolahy roa lavon’ny bala tao Mahitsy

Sample post image

Tsy milamina mihitsy ny fandriampahalemana ao Mahitsy. Jiolahy miisa roa no lavon'ny zandary avy ao amin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Mahitsy, nandritry ny fanafihana mitam-piadiana niseho tany an-toerana.

16-mai-2022

Hita sy tratra tany amin’izy ireo ny basy vita gasy iray sy antsy ary baramina roa avy nampiasainy. Mbola niampy miisa finday telo izany izay norobain'izy ireo tao amina tranona Renim-pianakaviana iray tao Manjarano Mahitsy. Ny 15 mey lasa teo tokony ho tamin'ny 02 ora 30 maraina raha tsiahivina dia nahazo antso avy tamin'olona tsara sitra-po ny kaomandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Mahitsy fa misy fanafihana mitam-piadiana ao Manjarano fokontany sy kaominina Mahitsy distrikan’ Ambohidratrimo.Tokan-tranona Renim-pianakaviana iray ao Manjarano voalaza no notafihan'ireo jiolahy miisa roa (02) mirongo fitaovam-piadiana ireo. Niditra an-terisetra tao antrano izy ireo ka nanambana basy an'ity renim-pianakaviana ity. Nisava ny entana rehetra tao an-trano ihany koa izy ireo saingy tsy nahita izay notadiaviny. Niantso vonjeo ilay Renim-pianakaviana nandritra izany. Vao avy nahalafo akoho maromaro tamin’ny faran’ny herinandro teo ity Renim-pianakaviana ity. Nikasa ny hitifitra ireo zandary moa izy roalahy ireto rehefa nampitandremana ka tsy maintsy niaro tena iretsy voalohany. Naterina etsy amin’ny hopitaly HJRA ny vatana mangatsiakan’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ireo mpitandro ny filaminana
 

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria CSP Itaosy

Card image cap
12-avril-2024

Efa misy mahatratra 1 tapitrisa Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely iray amin’ireo karazany vazaha na chien de race.

Card image cap
12-avril-2024

Jiolahy iray 25 taona no nosamborin'ny polisy tao amina tokantrano iray teny Tsarahonenana Itaosy ny 09 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora hariva rehefa nikasa hamaky trano.

Card image cap