airtel

Fandriampahalemana

05-mars-2021

Fandriampahalemana

Fanafihana tany Maroantsetra Voatifitra teo amin’ny feny ny jiolahy iray

Sample post image

Nisy fanafihana niseho tany Maroantsetra ny 03 martsa lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara

05-mars-2021

 

 

 dia nisy olona tonga tao amin'ny paositry ny Polisy ao Maroantsetra ary nilaza fa misy andian'olona mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy ao amin'ny fokontanin’Androkaroka , izay nanafika tokantrano iray. Tsy tratra tao intsony ireo andian-jiolahy fa lasa nandositra. Rehefa natao anefa ny fanarahan-dia dia tratra ny jiolahy iray izay namoaka basy vita gasy mandritra ny fanenjehana ka saika hitifitra polisy. Ny an’ireto farany anefa no nataony tonga aloha ka voa teo amin’ny feny ilay jiolahy. Tany Antanambao moa ity jiolahy iray ity no voasambotra. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon'ny Polisy nandritra izany tra-tehaka ny jiolahy faharoa izay niafina tao Lapointe tany anatin'ny fiaran'olona .Mbola nahatratrana basy vita gasy iray hafa miaraka amin'ny bala calibre 12 ihany koa teny aminy izay nampiasainy nandritra ilay fanafihana. Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa jiolahy miisa efatra izy ireo no nanao ity fanafihana tamin’ny 03 martsa ity. Mbola karohina ny 2 ambiny.

Pati  

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap