airtel

Fandriampahalemana

22-nov-2023

FANAFIHANA TAO MAHABO MENABE

Dahalo iray no lavon’ny balan’ny polisy

Sample post image

Lavon’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Menabe

22-nov-2023

ny daholo iray omaly 21 Novambra rehefa nanao ny asa ratsiny toy ny mahazatra. Tamin’io marainan’ny omaly io tokony ho tamin’ny 00 ora sy 15mn dia naharay antso ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahabo izay nilaza fa misy dahalo am-polony manafika sy mikasa hangalatra omby, miaraka amin’ny fitaovam-pidiana mahery vaika toy ny basim-borina ao amin’ny tanana iray Antananarivokely Fokontany Mahabokely ,kaominina ambonivohitra sy Distrikan’i Mahabo. Tsy niandry ela fa namonjy ilay tanana voalaza ny mpitandro ny filaminama niaraka tamin‘ireo fokonolona .Nitifitra avy hatrany ireo mpanani-bohitra raha vantany vao nahatazana azy ireo.Nisy ny fifandonana ka nandritra izany no nahalavo ny dahalo iray. Nandositra nihazo ny Fokontany Soamahavelo ireo namany raha vao nahatsikaritra ny fahavoazan’ity farany. Lehilahy iray 35 taona tao anatin’ireo fokonolona no naratra.
Pati
Legende : Lavo ilay dahalo iray !
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona

Card image cap
04-juin-2025

Tsy namelan'ireo fokonolona tao Mahambolona, distrikan'i Mandritsara omaly Talata 03 Jona

Card image cap
04-juin-2025

Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,

Card image cap