airtel

Fandriampahalemana

04-juil-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana tao Sarobaratra Ifanja Dahalo 5 lahy maty voatifitra, azo ny vola 15 tapitrisa Ar

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Dahalo miisa 5 ny faran’ny herinandro teo no indray maty rotidrotiky ny blan’ny zandary sy ny polisy tao Sarobaratra Ifanja.

04-juil-2022

Raha araka ny vaovao azo dia nahazoan’ny zandary vaovao izy ireo fa nitondra basim-borona 4 nanafika ny tsenan'Antsapantelo, ka niisa 7 izy ireo tamin’izany. Vokany, mpanangom-bokatra avy any Anosibe Ifanja no very 18 tapitrisa Ar. Voalaza fa nizotra nihazo an'Andolofotsy ireo malaso. Nihetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana nandritra izany. Raha araka ny fantatra dia niafina tao anaty lava-bato ireo mpanao ratsy saingy voahodidina. Tsy nanaiky mora izy ireo fa nifampitifitra tamin'ny mpitandro filaminana nandritra ny adin’ny telo. Tsy nilavo lefona anefa ireo mpitandro ny filaminana hatramin’ny 03 ora hariva. Dahalo 5 no lavo vokatr’izany. Azo ihany koa ireo basim-borona 4 niampy 15 330 000 Ar. Dahalo avy any amin’ny faritra hafa avokoa moa izy ireo.
Pati
(Sary nindramina)
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap