airtel

Fandriampahalemana

07-sept-2021

Fandriampahalemana

Fanafihana Taxibe 110 Jiolahy 5 nanambana basy ireo mpandeha

Sample post image

Jiolahy miisa 5 no indray nanambana basy mpandeha tao anaty taxibe ao amin’ny zotra 110 mampitohy an’Anosizato Atsinanana sy Analakely omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora.

07-sept-2021

 Avy any Analakely hiazo an’Anosizato ity fiara ity no lasibatra. Raha araka ny fampitam-baovao azo dia niditra toy ny mpandeha rehetra ireto jiolahy ireto. Vehivavy iray no fantatra fa narahiny tamin’izany izay niditra tao anatin’ity taxibe iray ity ihany koa. Rehefa nisasaka ny lalana dia nanambana basy ireo mpandeha rehetra tao anatin’ity taxibe ity izy ireo ka lasany tamin’izany ny vola mitentina 160.000 Ar izay an’ilay vehivavy. Nivoaka izy ireo raha vantany vao vitany izay nataony, toy ny tsy nanao na inona na inona hoy ny vaovao. Raha araka ny fitantaran’ilay mpamily sy ny mpanampy azy moa dia tsy sahy nihetsika izy ireo nandritra izany noho ny tahony ny ho faty ihany koa. Miantso ny mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra eny amin’iny faritra Anosizato sy ny manodidina iny araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ity tsy fandriampahalemana any anaty taxibe ity.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap