voatifitra, 03 hafa naratra mafy
Nitrangàna fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny tsenan'Anosibe amin'ny faritry ny mpambongady vaomaina omaly Alarobia 14 Oktobra tokony ho tamin'ny 9 ora maraina. Lehilahy iray nitondra basy no voalaza fa nanao ny fanafihana ka olona efatra (04) no fantatra fa voatifitra tamin’ izany. Ny 1 tamin’ireo no mpandraharaha izay fantatra amin’ny anarana hoe Toky, namoy ny ainy teo noho eo raha toa ka nentina notsaboina ao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha kosa ireo telo hafa ambiny ka anisan’izany ny mpanampy tao amin’ilay trano fivarotana. Voan’ny bala ny tanany raha saika hanavotra ilay mpandraharaha teo am-pandoavana vola izy. Tsy ela dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka mbola tao anatin'ny fifanenjehana tanteraka ilay jiolahy izy ireo hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay. Vao 34 taona monja moa ilay maty voatifitra raha ny filazan’ny fianakaviany. Mpivarotra sady mpandraharaha izy ary mpividy entana ao amin’ny tsenan’Anosibe. Nitondra vola izy araka ny tenin'ny fianakaviany ihany. Manodidina ny 8 tapitrisa Ar kosa ny totalim-bola lasan'ilay jiolahy, izay saika hakana entana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nitangorona tahaka izao ny olona !