airtel

Fandriampahalemana

27-avril-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana teny Mahitsy 1 tratra tratra, 2 tafaporitsaka

Sample post image

Avy any ivelany ny ankamaroan’ireo jiolahy tonga manafika ao Mahitsy. Torian’ilay fanafihana izay nahaverezana volabe 30 tapitrisa Ariary tamin’ny fiandohan’ity volana Aprily ity mantsy dia jiolahy iray vao 29 taona monja no tratra

27-avril-2022

tao ao Manjarano, fokontany sy kaominina Mahitsy distrikan’ Ambohidratrimo omaly talata 26 Aprily. Telolahy izy ireo no niaraka saingy tafaporitsaka ny roa. Rehefa nanontaniana ilay iray tratra dia fantatra fa monina ao Antamboho fokontany Vatobe kaominina Ambatomanga distrikan’Arivonimamo. Rehefa natao ny fisavana azy dia tratra tany aminy ny Basy poleta iray tsisy marika niampy "barre à mine" iray. Namboraka ny fikasan-dratsin'izy ireo ity voasambotra ka fantatra fa afak’omaly Alatsinainy 25 aprily tokony ho tamin'ny 05 ora hariva izy sy ireo namany roalahy no tonga tao Mahitsy mba hanao fanafihana ary Moto marika NEW MADA no noentin'izy ireo hanatanterahana ny fitsoahana rehefa vita ny fanafihana. Ireo tafatsoaka no voalaza fa mpitarika ka efa hatao hazalambo fatratra.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy avy any Arivonimamo tonga nanafika tany Mahitsy !
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap