airtel

Fandriampahalemana

14-avril-2021

Fandriampahalemana

Fanafihana teny Mandrosoa Ivato Maty voatifitra teo amin’ny tratrany ilay Japoney

Sample post image

Nitrangana fanafihana mahery vaika teny Mandrosoa Ivato omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany.

14-avril-2021

 

 

 

Jiolahy enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tonga nanafika tokantrano iray izay nihafara tamina famoizana ain’olona iray. Efa tafiditra tao an-trano izy ireo vao henon’ireo mpivady tao anatiny, raha ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Nirotsaka an-tsehatra niaro tena ilay tera-tany Japoney vadiny nandritra izany saingy notifirin’izy ireo jiolahy avy hatrany. Voa teo amin’ny tratrany ity farany ka lavo teo noho eo ihany. Lasan’ireo jiolahy kosa ny vola mitentina 3 tapitrisa Ariary tao anaty valizy niaraka tamin’ny amin’ny solosaina fitondra mandehandeha hoy ny vadiny. Nentina teny amin’ny hopitaly HJRA nanaovana fitsirihana moa ny razana taorian’izany. Tsiahivina fa efa 51 taona ity Raim-pianakaviana teratany Japoney maty notifirin’ny jiolahy ity. Mbola tsy nisy hita kosa ireo nahavanon-doza hatramin’ny fotoana nanoratanay.

Pati

 

  

Dans la même rubrique