airtel

Fandriampahalemana

22-nov-2023

Fanafihana tranona jeneraly

Jiolahy 5 no matin'ny zandary teny Andohan'i Mandroseza

Sample post image

Nirefodrefotra tahaka ireny anaty horonantsary mihetsika ireny ny poa-basy teny Andohan'i Mandroseza omaly atoandro.

22-nov-2023

Nifandona ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy. Ravan'ny zandary ny andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Amparihy kely Tanambao Andohan'ny Mandroseza, akaikin'ny masoivohon'i Norvezy omaly tokony ho tamin'ny 11 ora. Tranona jeneraly iray amperin’asa io saika notafihina io raha ny fantatra. Tonga ara-potoana ny zandary avy ao amin'ny Kaoampanian'ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo Ville rehefa nahazo fampilazana. Nanampy azy ireo ihany koa ny polisy. Nisy ny fifamaliana tifitra variraraka izay nanaitra ny mponina manodidina. Maty voatofotra ny dimy tamin'ireo jiolahy ; tafatsoaka kosa ny roa hafa izay nitondra moto scooter roa marika Tigra miloko grenat sy Racing 150, izay mbola karohina.Basy enina miaraka amin'ny antotan-taratasim-panjakana sy fitomboky ny BIANCO no tratra teo amin'ireo jiolahy lavo, izay mbola tsy fantatra ny mombamomba azy. Nogiazana avy hatrany ny fiara Toyota 4x4 Land Cruiser, tsy nisy laharana nampiasain'izy ireo.
FANINDROANY VOATAFIKA
Araka ny re dia efa nisy nangalatra tao amin'ny tranon'ity jeneraly ity ka nisy moto very. Ireo jiolahy ireo dia isan'ny efa nanafika trano iray hafa, ka 300 tapitrisa Ariary no very, ary trano iray hafa izay nandrobany vola 01 tapitrisa Ariary sy fahana finday maromaro.Azo sary tamin’ny "caméra de surveillance" izy ireo tamin'izany, ka izay no nahafantarana azy ireo raha io saika hanafika teny Ambohipo io omaly.
FAHASAHIANA TSY ROA AMAN-TANY
Ny tena nahagaga ny mponina teny an-toerana dia andro atoandro be nanahary no sahy nanafika tranona manamboninahitra jeneraly ireto jiolahy.Azo heverina fa efa tena tsara fiomanana izy ireo ary fantatr'izy ireo mazava tsara ny zavatra ho alainy. Midika koa izany fa nanangom-baovao ary misy mpanome vaovao ireto jiolahy ireto. Tena mahaliana arak'izany ny mety hambaran'ny fanadihadiana na ny vokatry ny fakana am-bavany ireo jiolahy roa hafa tafatsoaka raha toa ka azo sambo-belona izy ireo.
RTT
(Sary nindramina)
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona

Card image cap