airtel

Fandriampahalemana

04-août-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana, vono olona,rongony Telo lahy indray no tratra teny Ankaditoho-Tsimbazaza

Sample post image

Lehilahy miisa telo no nosamborin’ ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina teny Ankaditoho Tsimbazaza afak’omaly talata 02 aogositra rehefa avy nifanenjehana teny amin’ny manodidina.

04-août-2022

Raha araka ny fantatra dia nidoroka sy nivarotra Héroïne na (Rôrô) izy telolahy ireo ka nisy nahita. Tena hikoizan'ny olona iray tanàna ireto tovolahy ireto amin'ny fihetsika sy ny fanaparitahan'izy ireo zava-mahadomelina ao an-tanàna. Nisy araka izany ny fitarainana azon'ny teo anivon'ny Polisim-pirenena ka nanaovana fanadihadiana sy vela-pandrika avy hatrany izy telolahy. Raha araka ny fantatra dia nitsoaka ny iray tamin'izy ireo vao nahatazana ny polisy. Nisy ny fifanenjehana teo amin'ny roa tonta, araka izany, ka tratra tsy lavitra teo ity lehilahy ity izay nahatràrana héroïne 5g raha toa ka 15g no hita tany amin'ireo roa hafa namany. Nentina nihazo ny birao ireto farany ka fantatra taorian'ny fanadihadiana fa io andro io no nahazoan'izy ireo ny héroïne 20g izay mbola tratra tany aminy avokoa. Efa misy mpamerin-keloka amin'izy ireo ary misy voarohirohy tamin'ny fanafihana mitam-piadiana teny Anosy izay nahafatesan'olona. Mandeha hatrany ny fanadihadiana amin'ny fikarohana ireo mpamatsy roro ireto tovolahy ireto. 32 taona ny roa amin’izy ireo raha 40 taona mahery ny iray. Omaly izy ireo no natolotra ny fitsarana ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telolahy sy ireo roro tratra teny aminy
 

Dans la même rubrique