airtel

Fandriampahalemana

13-janv-2022

Fandriampahalemana

Fanamiana nanamarika ny 12 janoary Andrasana ny fanamarinana sy fanazavan’ny Filoha

Sample post image

Ny 12 Janoary dia andron'ny manamboninahitry ny tafika Malagasy. Toy ny isan-taona dia nanamarika izany tamin'ny fiarahana tamin'ireo miaramila eo amin'ny rezimantan'ny vondrona mpiambina ny fiadidian'ny Repoblika ny tenako,

13-janv-2022

 hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, omaly. Niaraka nihazakazaka sy nanao fanatanjahantena izahay, hoy izy. Fotoana mahafinaritra ahy manokana satria natao tao anatin'ny firahalahiana izany. Amin'izao fiantombohan'ny taona izao dia nametraka hafatra aho ho an'ny manamboninahitry ny tafika Malagasy rehetra manerana ny Nosy amin'ny ny maha-zava dehibe ny fampisehoana firaisan-kina sy ny fenetren-tena eo anivon'ny tafika. Izy ireo mantsy no tandroka aron'ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena. Miaro ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana, noho izany. Izy ireo no tokony ho maodely sy fitaratra amin'ny fitondran-tena, ny fahitsiana, ny fandavan-tena ary ny fanompoana tanindrazana . Nanainga azy ireo aho ny hitandro lalandava ny hasin’ny andraikitra sy ny adidy masina nankinin’ny firenena tamin'izy ireo, hoy hatrany ny tenany. Tetsy ankilany dia niteraka resabe ny fanamian’ireo manamboninahitra niara-nankalaza ity datin’ny faha 12 janoary ity satria dia narevaka sy nirentirenty fatratra ny volomboasary. Ny volomboasary izay iaraha-mahalala fa lokon’ny antoko politika TGV izay naorin’ny filoham-pirenena Malagasy ankehitriny. Misy amin’ireo mpiaradia taminy moa no milaza fa tsy io ilay volomboasary tena lokon’ity antoko ity. Na izany na tsy izany dia azo antoka fa efa tokony nampoizin’ny ankamaroan’ireo tandapa ny ho resabe aterak’iny tranga omaly iny satria voadidin’ny lalana velona eto amin’ny tany sy ny firenena tsy hiandany amina firehana politika na antoko politika izany foloalindahy izany ary “tsy natao hanao politika” ihany koa. Ny zava-nisy anefa dia toy ny nisalotra loko politika ara-bakiteny ny fahitan’ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao azy ireo omaly. Efa lasa mersenera fa tsy tandroka aron’ny vozona intsony ve ny foloalindahy, hoy ny fanontaniana mipetraka? Asa indray izay ho fanazavana sy fanamarinana omen’ny filoha iny fihetsika niarahany tamin’ireo heverina ho be tsy miteny na “grande muette” omaly iny fa dia andrasana aloha.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap